y-mar (mg) – antso ho anao كلمات اغاني
[intro]
y_mar
[couplet 1 _ y_zit]
raha hitanao ireo mandady, ireo mangiana foana
dia hiteny hoe marary kanefa moana mitalaho fa tsisy mandre
mirenireny, mitaditady, voabaikobaiko, voasazy
maniry ny fiarovan’ireo anjely
mitady an’ireo maso mba te ho jerena
hiran’ny fo, ny feo tsy hangiana fa ny antso ho anao
antso no atolotro ho anao
[couplet 2 _ tiavina]
feo iray ihany androany no hiteny
fihavanana iray ihany no ho jerena
tsy adalana no miandry an’io fahasambarana io
anjara masoandro ka mijoro
feo iray ihany androany no hiteny
hafaliana iray ihany no ketrehina
ary ho avy tsy ho ela, handao hanpitempo ny fo
[refrain]
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao raiso ho anao
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao raiso ho anao
[couplet 3 _ marion]
(yeah)
ka miangavy re raha azo atao
dia hitodika mba ho azy indray
fa ny azy anie izao fiainan’izao
ny mangidy no mba tao an_tsainy
hoe sedra foana ve
no ho soratana mba ho tantara
tsy hita intsony ilay hoe
ho tany sambatra i gasikara
[couplet 4 _ tiavina]
feo iray ihany androany no hiteny
fihavanana iray ihany no ho jerena
tsy adalana no miandry an’io fahasambarana io
anjara masoandro ka mijoro
feo iray ihany androany no hiteny
hafaliana iray ihany no ketrehina
ary ho avy tsy ho ela, handao hanpitempo ny fo
(izaho sy ianao)
[refrain]
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao (antso ho anao)
raiso ho anao (raiso ho anao)
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao raiso ho anao
[couplet 5 _ raboussa]
yeah, yeah
ilay fandresena tsy mba fantatro hoe ohatran’iza loatra
izany filaminana
fa ny anareo ny feom_basy no toa mifaninana
toa tsy mahalala hoe hijaly ange izahay dimby sy fara
fa ohatran’ny ho anareo irery ilay “madagasikara”
toa tsy ao ilay maha_olombelona sa ve nodimandry
tandremo fa ny fitia ange mahery noho ny sandry
dia miala tsiny mety ho mafimafy ilay fiteny
hoe “ianareo ve mbola ho mendrika ny
ho ray aman_dreny”
[couplet 6 _ x_tah]
gasikara, hifampitarika aiza ireto zanakao?
ndao ho any @ tsara fa ho velona izay sahy mankao
hitsahatra ny rediredy, tsy ho tairin’ny rebireby
ny malagasy ho lavitry ny tebiteby
samy gasy @ fo raha hiaro ny zo (zo)
samy gasy mahavoa raha hiaro ny zo (zo)
samy nararary, afaka samy sitrana
ao ny fihavanana afaka samy hamitrana
[refrain]
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao (hey)
raiso ho anao (raiso ho anao)
ilay antson’ny fo tsy hangiana
fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
antso ho anao (yeah)
raiso ho anao (yeah, raiso ho anao, ouh_ouh_ouh)
[outro _ raboussa]
antso iray atolotra ho an’izay manam_panahy sy ireo
izay mbola mahatsapa fa manana adidy @ fanasoavana
an’i madagasikara mba hitongilana ny fony, mba
hitongilana ny fanahiny, mba hitongilana ny vatany, mba
hitongilana ny sainy @ fitandrovana ny zo maha_olona
mba hitopizan’ny maso ho an’ny taranaka amam_para
mba hisian’ny fifanajana hanjakan’ny fifankatiavana dia
hisy marina ny fiovana. dia rehefa vita izay dia ho
nosy maha_te honina i madagasikara
teny atsipy ho n’izay manan_tsofina
كلمات أغنية عشوائية
- young roddy › young roddy – water كلمات اغاني
- tyler carter › tyler carter – ain’t it fun كلمات اغاني
- al¥x vance bitch › al¥x vance bitch – smarthoes (daybreak version) كلمات اغاني
- tomas ledin › tomas ledin – (du har gjort mig till) en man som älskar كلمات اغاني
- bleauisnotcool › bleauisnotcool – fruitopia كلمات اغاني
- truten › truteń – hagakure كلمات اغاني
- kjott › kjøtt – nå vil jeg ikke leke med teitinger mer كلمات اغاني
- sir sly › sir sly – helpless / bloodlines pt. ii كلمات اغاني
- petitcopek › petitcopek – plus rien à perdre كلمات اغاني
- arno cost › arno cost – 1000 suns (devin rayden & yono remix) كلمات اغاني