samoela – folaka ihany كلمات اغاني
folaka ihany ny anao ô ! tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara à!
mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. ela ny ela ka voa !
izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara à!
ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an’ity jôba ity. hanakory ny ho avin’ty ?
ilay ankizivavy amin’izao fotoana
mirongatra sady toa mamba noana ry zama à!
ny statistika ankehitriny
iray isan-jato ny virijiny madama à!
iry vao oviana no niala couche
mi-accoste sady mitositosy ry akama à!
iry zazakely vao firy taona
ny kibo mibontsina toy ny pôma. azafady ary !
folaka ihany…
maty fosan’ny bandy akama
kôpy jiaby ny iray tanana ry mama à!
fa ikalamalalan’ny be dia be
efa bikina mbola mandehandeha. tsy arako intsony !
ny mst efa izy tsy izy:
sida, angatra, sifilisy. tsy hay mihitsy à!
fa mba fara-faharatsiny miaro-tena
pelipelika anefa dia votsa saina. mbay tany à!
folaka ihany…
ry dada sy neny mba mihevera
rehefa voa anie ka tsisy « marche-arrière », mba jereo à!
ny zanakareo anie ka m-n-la azy
mitrifana sahala amin’ny mpamosavy ! mba marina mafy !
fa koboko teto izy afak’omaly
efa avy nanao ny nataony tany! mba kôzy à!
fa vao misy revy, dia lasa any
nefa izay lasany any dia mampamangy. mampamangy any anatiny any !
folaka ihany ny anao ô ! tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara
mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. ela ny ela ka voa !
izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara
ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an’ity jôba ity. hanakory ny ho avin’ty ?
folaka ihany ny anao ô ! tsy mandatsa aho, ary tsy mikafara
mba nanarina ihany taloha, fa niseho azy be mokon-doha. ela ny ela ka voa !
izay milingilingy, dia potraka nama à! tonga saina fa saingy efa tara
ity kivetaveta aloha loatra ity no nanimba an’ity jôba ity. oay ‘zany bikan’ty !!!
كلمات أغنية عشوائية
- 612 › 612 – græ ok كلمات اغاني
- sarah brendel › sarah brendel – commodity كلمات اغاني
- мальбэк malbec › мальбэк (malbec) – мальбэк (malbec) كلمات اغاني
- afterhours › afterhours – pulse in my blood كلمات اغاني
- hank snow anita carter › hank snow & anita carter – bluebird island كلمات اغاني
- june christy › june christy – when the sun comes out كلمات اغاني
- staffan carlen › staffan carlén – don’t you wanna know كلمات اغاني
- androyce › androyce – call me كلمات اغاني
- izoki › izoki – till i’m numb كلمات اغاني
- richthofen › richthofen – goin’ out west كلمات اغاني