kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

rija rasolondraibe – ianao no antenaiko كلمات اغاني

Loading...

tsy voatsindry fa mijoro

efa rotika torotoro

ambivitra ny rojonay

efa tsisy herintsaina

mitaraina mitoloko

ampiseho anao ny foko

jesoa malala

ianao mahalala

fantatro fa ny anao tsy miova ny fitia

efa niainako ny fitantananao

ny maso sy ny fonao dia momba ahy foana ety

mbola fanantenako foana ianao

ianao no antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

fa ny fanatrehanao, ireo dina nataonao

antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy

amin’ny hery itokiana

amin’ny andron’ny fahoriana

ianao no itoerana

tompon’ny fiheverana

ny tànanao no antenaiko

ny tari-dàlanao no ilaiko

ho fiainam-baovao

ny ampitsoko imasonao

fantatro fa ny anao tsy miova ny fitia

efa niainako ny fitantananao

ny maso sy ny fonao dia momba ahy foana ety

mbola fanantenako foana ianao

ianao no antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

fa ny fanatrehanao, ireo dina nataonao

antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy

ianao no antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

fa ny fanatrehanao, ireo dina nataonao

antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy

anjara alahatrao ho ahy

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...