kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

rija ramanantoanina – omeo كلمات اغاني

Loading...

dia mifitsaka mangina

ilay zandry feno loto

manondrika ny lohany

mandinika ny tany

itsahiny rehetra

mitsinjo ho alehany

ny hodiany moa tsy misy

ny vatsy koa dia foana

ny ankoditra miharovitra

ny fafin’ny f-n-la

ny hovitry ny hatsiaka

iaretany avokoa ireo

fa trotraky ny fiainana

ilay tovolahy ka fanina

tsy hita intsony izay ho aleha

toa tapitra ny lalana

ka ny ainy ho lasa

no hany sisa andrasany

ray o! ny anio sy ny ampitso

izay anao raha sitrakao anomezo azy koa

omeo azy anio ny hazavana

izay tsy hitany hatrizay omeo azy raiko o!

dia nivadika ny taona

nandroso teny ny andro

dia hitako ranamana

arahin-tovovavy

mibaby zazakely

mitovy loko aminy

fa zara raha mitafy

ity zaza menavava

matory eo andamosiny

toa taratra sahady

ny aloky ny ampitso

sy ny endriky ny fiainany

voatokana hijaly ve

ity zandry kely nihalehibe

tsy hita intsony izay aleha

toa tapitra ny lalana

izay alainy

tsy hita ho diavina

ray o! ny anio sy ny ampitso

izay anao raha sitrakao anomezo azy koa

omeo azy anio ny hazavana

izay tsy hitany hatrizay omeo azy raiko o!

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...