kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

mahaleo – veloma ry fahazazana كلمات اغاني

Loading...

veloma veloma, ry fahazazana
veloma veloma, fa efa tsy tamana
veloma f’izaho, tsy afaka hitana
veloma veloma, ndeha ka faingana

avelao aho hamoifo mangina
eo akaikinao, akaikinao ry tiana
torimaso, sakafo sy lalao
no niarahako taminao

arahaba e, ry hatanorana
arahaba e, ry fahalalàna
arahaba e, ry hadalana
tsy ary voatanisa, sarotra isaina

nigoka, nifoka
ka nijanganjana
ny ota rehetra indro mitranga
kilalao hafa kely no natao
niova tantely isan’andro izao

veloma, ry fahazazana
veloma veloma, fa efa tsy tamana
veloma f’izaho, tsy afaka hitana
veloma veloma, ndeha ka faingana

nananontanona ary ny fahanterana
niandry any am_pasana ilay toerana
nitomany indray ny fahazazana
ny fahafatesana anefa tsy azo hialana

veloma, ry fahazazana
veloma veloma, fa efa tsy tamana
veloma f’izaho, tsy afaka hitana
veloma veloma, ndeha ka faingana

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...