kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

lolo sy ny tariny – lemizo كلمات اغاني

Loading...

satrin’i lemizo a
mba ho any texas é
hitaingin-tsoavaly a
any a zamerika é
manjaka toa mpanjaka
ny mpilalao basy a

izany no mba nofinofiny
avy any anaty aloky ny cher-fréra-
n’ambodin’andohalo a

tananan’i lemizo a
ka efa mba nataony
ho toy ny texas a
any andavamamba é
manjaka toa mpanjaka
ny mpilalao antsy a

tsy azo lalovana hariva anie
ny eo antetezan’ilay bekiraro
fa mety mahafaty a. (2)

ny vovon’i lemizo a
ka vitany amin’ny daba a
miampy fehim-barika é
rahoviana ka rahoviana
ny any andavamamba
ho toy ny zamerika é

tomany, tomany i lemizo anie
ka nampalahelo ka nampalahelo
ilay akama kely a
miakatra, miakatra ny rano anie
ambany tetezan’ilay bekiraro
ka tondra-dranomaso a

i dadan’i lemizo a
mitondra dilizansy é
eny anosibe
mahafinaritra azy
ny mitondra voiazera a
manao taingim-be

fa saingy ilay dilizansy anie
ka miadam-pandeha fa tsy ampy sakafo
ireo soavaly roa a

indray maraina izay a
voalako i lemizo
voalakon’i dada
fa tratrany nitondra a
nitondra soavaly
soavalim-boatiry é

soavaly anie ka antom-pivelomana é
fa tsy rendrarendra, fa tsy rendrarendra
toa ny any texas a

satrin’i lemizo a
mba ho any texas é
hitaingin-tsoavaly a

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...