kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

belahy – asa ihany كلمات اغاني

Loading...

dia diso ve ny tenako raha toa ka hamàky
taratasy hita latsaka omaly teny ilafy, teny ilafy
ny olona nanoratra tsy fantatra na iza
fa misy adressy hafahafa avy any andriba, ka henoy e

mitobaka ny fako hatreny ambonin’ ny arabé
milahatra ny afisy misy anaran-deputé
mirehitra ny ala mandrava ny valala
mitombo ny mpitsindroka miha betsaka ny adàla. asa ihany…

nandalo ilay minisitra tsy hita fa nisitrika
voasakana ny vam izay tsy ao anaty lisitra
izy anie tsy mpindrana fa tompon’ arabe
arahin-kortézy sy nitsoka sifflé, raha mandeha

nahatsiarovako lalao malaza tamin’ny môndialy
kara-mena kara-mavo sifflé naseho an-tsary, miharihary

mba rahoviana i gasikara vao mibàta ny amboara?
izay tonga dia manjavona na ny ff na dôllara
tandremonao razandry
tandremo mandrimandry
tandremo lesy zandry aza mety ambara vandy
tandremo lesy zandry ka tandremo

navadika ny pejy ka dia toa nampitebiteby
natompiko ny masoko ka avy hatrany dia grévy, ny eo ambony
nasiany sarin’olona mahia sy botrefona
andrianampoinimerina manambana amin’ny lefona aiaia

mila mailo fa miharatsy ny fandehan-draharaha
mibanaka matetika ny fonjan’i tsiafahy
tsy misy tsy misondrotra hatramin’ny saran-dalàna
manao izay tiany hataony fa nahazo fahafahana, afaka a

nasiany sary mig tamin’ny basy hélico
misoratra eo ambany fitondràna commando
miparitaka ny basy isan’andro misy maty
herisetra , hadalàna nefa tany tan-dalàna. asa ihany…

mitsatoka ny borne mazava ny amin’iny
tany be izay midadasika no lasan’ireo vahiny, novidiany

novidiany hatramin’ny tany varo-maizina mangina
fahafahana manondram-bolamena sy safira
zandry a ! vakio iny taratasiko iny
ny anarako tsy ambarako fa izaho dia mpivahiny
zandry a izaho mahatoky anao!

asa ihany a
asa ihany o

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...