kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

amaf – harena sy fananako كلمات اغاني

Loading...

ianao jeso no manasitrana ahy

ka tsy hanafenako ny aretiko

ny indrafonao tsy hay faritana

no manamaivana ny zioga entiko

ianao ilay nihombo teo kalvary

no anankinako ny fiainako

ianao mahita ny adin-tsaiko ety

no antenaiko hampody ny marainako

tsy avelako ianao jesosy ô !

raha tsy mandray ny tanako

ka idongiako tsotra izao

ho harena sy fananako

mba manana an’iza moa aho ?

fa ianao no tokiko !

matoa miantoraka aminao

ry raiko sady zokiko

inty aho jeso raha toa ka sitrakao

miaraka amin’ny halotoako

manolo-tena ho diovinao

manorina aminao ny finoako

na toa ny voatsinampy bitika

ka avelanao hiantefa ao am-po

ny sombin-dranao mba mipitika

izay dia efa ampy hanadiovana ahy tokoa

tsy avelako ianao jesosy ô !

ny fahotan’izay mangeja ahy

ka toa mampisaraka ahy aminao

dia ivalozako eto anio ry ray

mba ahazoako ny fiainan-baovao

koa hamasino ho mendrika anao

mba ho voninahitrao ry ray tsitoha

izao fanoloran-tenako izao

ampio hahay hifikitra aminao tokoa

tsy avelako ianao jesosy ô !

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...