kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

adeline – mila fanasitranana كلمات اغاني

Loading...

firenena mpanota olona mavesatr’eloka

taranaka mpanao ny ratsy zanaka mpanao ny meloka

nafoy an’andiamanitra ny zanak’olombelona

tsy mahagaga raha maro ireo maty fahavelona

tsy misy tsy marary fa feno aretina avokoa

hatrany am-paladia ka hatrany antampon-doha

ny tokatrano maro eny ny fiarahamonina

marary avokoa mila fanasitranana

ref:

izao tontolo izao marary avokoa

saina vatana fanahy indrindra ny fo o!

avia jesosy malala o! faingana hanasitrana

fa tsy ahitana fanafody e! ty areti-mandringana

aretina mikiky tsy ahitana fanafana

tsy mampandamaka am-pandrina na mandreraka ny vatana o!

fa ny fo fanahy sy saina no mahita faisana

avia jesosy malalako zany o! faingana hanasitrana

aretina mikiky ny fitiava-tena

ny fitiavam-bola fitiava-karena

aretina mikiky ny fifanaratsina

ny lolo-po miteraka fifampiandanina

aretina mikiky ny fitsitokotokona

na ara-politika na ara-pinoana

aretina mikiky ny fialonana

hatrany am-piasana ka hatrany am-piangonana

ireo no aretina izay mahazo ny maty fanahy

mikiky ny fon’olombelona na vavy na lahy e!

tsy kely tsy lehibe tsy ant-tra tsy tanora

kikisan’ireo aretin’ireo e! isan’andro isan’ora

ref:

كلمات أغنية عشوائية

اهم الاغاني لهذا الاسبوع

Loading...