
zay - diso lyrics
iny fahanginako fony ianao nandeha iny
dia noraisinao ho fahareseko izany
o o o! diso ny eritreritrao
hay! izaho ‘lay niondrika toy ny hoe tsy nahajery
dia nadikanao hoe niondrika fa very
o o o! diso ny eritreritrao!
tsy resy akory aho raha nangina
tsy sanatria hoe fahoriana
raha toa ka lasa ianao
izaho mihitsy no efa nahalala
isika samy mody adala
hoe tia nefa kilalao
efa fantatro hatry ny ela fa tsy izaho sy ianao
no hiara-dàlana amin’izao fiainana izao
fa rendrarendra fotsiny ihany toy ireo adalàna
tsy natao ho ahy ianao fa mandehana
vao niandoha mihitsy ilay fiarahantsika roa
dia efa fantatro fa tsy ilay avy ao am-po
fa rendrarendra fotsiny ihany toy ireo adalàna
tsy natao ho ahy ianao fa mandehana
eh! diso ianao raha nitantara teny ho eny
f’izaho dia nihevitra fa teny izy ireny
o o o! diso ny eritreritrao!
eh! ilay tanako nitantana ny tananao
‘lay molotro nanoroka ny molotrao
o o o! kilalo fotsiny ireny!
tsy resy akory aho raha nangina
tsy sanatria hoe fahoriana
raha toa ka lasa ianao
izaho mihitsy no efa nahalala
isika samy mody adala
hoe tia nefa kilalao
Random Lyrics
- french montana, rick ross & meek mill - millionaire row (sped up) lyrics
- destroy lonely - can't feel shit lyrics
- sipponchic - smokin lyrics
- evt da g - funky lyrics
- syntixo - my own way lyrics
- miga - el patron lyrics
- יפה ירקוני - aba sheli - אבא שלי - yaffa yarkoni lyrics
- vspak - первая (first) lyrics
- mofan lai - 踏雪寻梅 lyrics
- телевизор (televizor) - дежавю (deja vu) lyrics