vy mamay - tafika miafina كلمات أغنية
[skyzo fahira]
antsovy hoe anay ny mpiady
antsovy hoe anay ny masina
antsovy hoe anay ny tafika miafina
antsovy hoe anay ny vintana
[vy mamay]
raha mbola mafimafy ny lamba entina
hirakofanay ireny satria nanafy hery
tafika miafina, tsy mbola niseho hoe aty aminay ny sandry sy ny pouvaka
tsy tazana, nandavaka lalina, niosompotaka
mety tsy teo izahay fony masoandro niposaka
mino aho fa tsy maintsy hanatrika an’ny filetiny satria efa voasoratra
miaraka an’ny izay rehetra izay miandry ny taratra
ho an’ity fiainana ity mila diavina
niafina aho fa tsy lavitra, hanginana anaty korontana, hanatsarana zavatra
lamba mena eny ambozonana
anatin’ny fo
tsy milavo lefona amin’ny sabatra fa ety antanana
tsy miala amin’ialahy
[vy mamay & skyzo fahira]
na lavitra ny tanàna, havanana ny tafika
na ho any atsimo ho eto ampovoany
tsy miondrika fa miatrika
avaratra, andrefana, atsinanana
tsy miala
fa tafika miafina, tafika miafina
[skyzo fahira]
firifiry ny tafika misy ?
ny aty tsy milavo lefona amin’ialahy eo izany na hoe kivy
firify ireo miandrandra ny peace ?
ady lava ny tena tanjona
mbola tsisy anefa hatreto ny tena mazana
taimbava no asesisesy satria samy te hivoaka ho mpandresy
rahoviana ihany vao ho foana ny tondromolotra feno esoeso ?
dia anay nefa tsy ho resin’ialahy
tsy ho ravan’ialahy satria maro andavaka
miavitsy ireo tena miavaka
vitsy ireo mpiavy no tena mifankafantatra
dia ny aty efa voaharo
tsy azon’ialahy afangaro
dia ny androany io na ny ampitso
na ho vy io na ho skyzo
[vy mamay & skyzo fahira]
na lavitra ny tanàna, havanana ny tafika
na ho any atsimo ho eto ampovoany
tsy miondrika fa miatrika
avaratra, andrefana, atsinanana
tsy miala
fa tafika miafina, tafika miafina
[skyzo fahira]
antsovy hoe anay no mpiady
antsovy hoe anay no tafika
miady rehefa sendra mafy fa tsy hoe mafy ady
dia tsy ho resy ary tsy ho lavo
tsy matin’ialahy lolo
averiko indray, indroa, impolo
dia antsovy hoe anay no mpiady
antsovy hoe anay no tafika
miady rehefa sendra mafy fa tsy hoe mafy ady
[vy mamay]
tsy niandry ny mazava hitsilo ny lalana
nandroso niadana tsy nisy afatsy finoana sy fiaretana no nentina
sahy namakivaky lohasaha
tsy niembotra nifono vy hiarovana ny vatana
nijoro fa tsy nandoalika nanavy
tsy tratra fa nandingana ny velapandrika tafita alavitra
[vy mamay & skyzo fahira]
na lavitra ny tanàna, havanana ny tafika
na ho any atsimo ho eto ampovoany
tsy miondrika fa miatrika
avaratra, andrefana, atsinanana
tsy miala
fa tafika miafina, tafika miafina
كلمات أغنية عشوائية
- lil blue-footed booby - money spread كلمات أغنية
- cccp - fedeli alla linea - tomorrow كلمات أغنية
- fito y fitipaldis - la noche más perfecta كلمات أغنية
- luhglokkchapo - soda كلمات أغنية
- dkb - irony كلمات أغنية
- ill-yes - yes freestyle كلمات أغنية
- ara & oney1 - quiero amarte كلمات أغنية
- baylee lynn - that's what i'll be كلمات أغنية
- алиса буслова (alisa buslova) - буду сиять (i will shine) كلمات أغنية
- dick miles - jack the lad كلمات أغنية