tovo j'hay - tsy misy toa anao lyrics
[couplet 1]
indraindray toa mahavariana
indrindra rehefa tiana
ny olona iray
fa toa mitombo tarehy
tsikitsiky be dia be
fa sady tiako, tia ahy
rehefa eny an_dalana eny
voalaza ombieny ombieny
fa feno fakam_panahy
fa ny fitiavana anao
tsy atakaloko vaovao
ka aza manahy
[pont]
any andro mety lavitra ny maso
zaho tsy hitodi_doha
reo mpanenjika sy mpanao ankaso
tsy hampiova ny fo
[refrain]
tsy misy toa anao, tsy misy toa anao
raha ny fiainana nodiaviko hatramin’izay
f’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
no tiako hiankinan’ny fo
tsy misy toa anao, tsy misy toa anao
izay jerena ekeko tsara avokoa
f’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
ilay tokan’ny fo
[couplet 2]
ilay toerana iray
efa voatokana ho ahy
anaty fonao
fitiavana mafonja
volamena, diamondra
tsy mety mankalao
midobodoboka ny fo
miketriketrika ny loha
rehefa ianao tsy anilako eo
hivavaka mangina
ho anao aho ry tiana
tsy mba ho leo
[pont]
any andro mety lavitra ny maso
zaho tsy hitodi_doha
reo mpanenjika sy mpanao ankaso
tsy hampiova ny fo
[refrain]
tsy misy toa anao, tsy misy toa anao
raha ny fiainana nodiaviko hatramin’izay
f’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
no tiako hiankinan’ny fo
tsy misy toa anao, tsy misy toa anao
izay jerena ekeko tsara avokoa
f’ianao irery ihany dia mbola ianao foana hatrany
ilay tokan’ny fo
كلمات أغنية عشوائية
- sixx am - accidents can happen lyrics
- sixx am - permission lyrics
- sixx am - dead man's ballet lyrics
- sixx am - courtesy call lyrics
- sixx am - x-mas in hell lyrics
- sixx am - tomarrow lyrics
- sixx am - van nuys lyrics
- reo speedwagon - ridin' the storm out lyrics
- sixx am - girl with golden eyes lyrics
- reo speedwagon - keep pushin' lyrics