stoika thug, artemus, prime - midnight freestyle كلمات أغنية
couplet unique :
soratsoratra
ambony taratasy ny fihetsehampo mora aboraka
asa ny mpijery raha handray ahy amin’ny orakoraka
hovaiko sangan’asa raha vato no atoraka ahy
lehibe teo anivon’ny bira sy ny hatsiaka aho
ny aingampanahy matroka avy amin’ny fiainako fa tsy tamin’ny an’ny hafa no nandiaka
sasak’alina ny ranomainty mandriaka
asiako andalana iray hoan’ireo tary efa ela tsy hita
ny tsimbotry lasa adrisa
tsoriko fa ny foko triatra
izaho no sisa raha tany amboalohany folo tsika
mitohy ny dingana
miezaka na tsy ahazo hao amn tondro singany
lavo rehefa tojo fingana
dia manoratra alahelo aho mandra pisindany
haiko hoe mila miova aho mba tsy ho simbany
ny lalana diaviko mizotra ho any amin’ny helo
rehefa ohatrohatr’izao ny pejy mora feno
mahavita raki_kira aho ao anatin’ny ora telo
tsy ananako ‘lay tantara mahaliana ny mpiheno
na ny lohahevitra tiany, miala tsiny
rehefa tsy mahavita ny gasy dia aleo ataon’ny vahiny
ny fanovana mila finiavana fa tsy vitan’ny hoe maniry
faniriana ny hamerina an’ilay soatoavina fahiny
sanatria tsy hoe miseho ho mpanao rap mitolona
ho an’ny mc ‘zah ohatrin’ ny rivo_doza miforona
ho an’ny mc ty tsindry paingotra sy vonovorona
manoratra aho arakarakan’ny volon’andro
isan’andro aho mivavaka hoe mba hanasory ny ambo
tiako ho fehezina ilay demony efatra rambo
andalana efatra farany ‘lay teo ambony iany no tiako averina
an_tanana ny penina
ohatrin’ny hoe itoerana tromba aho na ambalavelona
tsy ty no ahazoako loka n0bela
tsy artista sangany…tsy ty no ahazoako loka n0bela…
outro:
nidify ny masoandro fa tsy nipoitra ny kintana
ny rarin_tsaiko, ny mozikako ihany no hanasitrana azy
therapy !!!!
كلمات أغنية عشوائية
- lagwagon - memoirs and landmines كلمات أغنية
- laibach - abuse and confession كلمات أغنية
- laibach - across the universe كلمات أغنية
- laibach - apologija laibach كلمات أغنية
- laibach - brat moj كلمات أغنية
- laibach - cari amici كلمات أغنية
- laibach - decade null كلمات أغنية
- laibach - declaration of freedom كلمات أغنية
- laibach - dig it كلمات أغنية
- laibach - drzava كلمات أغنية