
rija ramanantoanina - fivavako كلمات أغنية
malomaloka endrika eny ianao indraindray
nisy ranomaso kely koa toa ho ao
vitsivitsy teny toa mitokatokana
mandà lanonana, manjary miavona
nisy aza moa indray andro izay
teny amoron-kady ianao no hitanay
saika hanampy iray ireo efa lasana
hameno fasana, handao ny ety
fa nalavom-pitia izaho hoy ianao:
ka kivy dia kivy
tsy te-hiaina intsony, ny ampitsoko maloka
aleoko tsy sainina
fa namboly fitia tanatin’ny tsilo
na dia sasa-poana niandry azy haniry
k’izaho indray no voatsindrontsindrona
nandraiky narary
kanefa avia hoy ianao dia
iraho ilay volàna
hitsena ny ampitsonao mihiratra
taratr’ilay masoandro
avia aty hoy ianao dia
antsoy ireo kintana
hamerina indray ireo tsikinao
ary hamaky haizina
soa nisy namana toa anao
soa nisy tànana nandray ahy
fa raha ny saiko no hampariko
dia efa levona, izay momba ahy
tsiaro nanarin-dia
zary nofinofy irony taloha
noho ireo tononkira
namboarinao ho ahy ; ho fiononako
nanjary fivavako !
dia ho rariny ve
raha olona iray tanatin’ny arivo
no ndeha hanimba ny ampitsoko
mbola tafarina
saika tsy ninoako
كلمات أغنية عشوائية
- tom tykwer, johnny klimek, reinhold heil - running one كلمات أغنية
- amplify worship - walking with me كلمات أغنية
- buck-tick - warp day كلمات أغنية
- fuse of order - random acts of violence كلمات أغنية
- d-twist - goku كلمات أغنية
- dust bolt - taking your last breath كلمات أغنية
- sbn3 - cars threestyle كلمات أغنية
- skyblew - head to the sky (blew verse) كلمات أغنية
- natália matos - não sei fazer canção de amor كلمات أغنية
- lord esperanza - reste à ta place كلمات أغنية