kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

rija ramanantoanina - fa iza كلمات الأغنية

Loading...

nosoloiny olon-kafa hono ianao
sady koa nokasainy nafohy
notefeny fiainam-baovao, ilay fitiavany mba ho matohy
fa na dia tia aza ianao, tsy nohenoiny
nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny

fa mbola hita sy tsapa ny lasa
izay niarahana, tsy ho voafafa
ny manadino azy angamba no tsy vita
ny fo no ampangino tsy hitanisanisa
tia azy ianao,tsy nohenoiny
nafoiny mitsy ary dia nosoloiny

fa iza moa ianao
no ndeha ahalala
izay ho tiany
ka hametr’izay safidim-pony
tsy maintsy hitianao
fa na dia tia azy ianao
‘lay hoe tia adala tamin’iny
moa mety ho marina izany?
f’izao hamafiso ny fonao

fa mbola hita sy tsapa ny lasa
izay niarahana tsy ho voafafa
malahelo ve moa ianao tsy hitomany
kanefa ny omaly efa lasana any
tia azy ianao fa tsy nohenoiny
nafoiny mitsy ary dia nosoloiny

jereo ny maraina vaovao
mbola hisy mamaratra ho anjaranao
henoy ao am-ponao ny feon’ny fanantenana
mbola hisy masoandro
hitondra hazavana
mbola hisy fanilo hafa indray, hafa indray

fa iza moa ianao
no ndeha ahalala
izay ho tiany
ka hametr’izay safidim-pony
tsy maintsy hitianao
fa na dia tia azy ianao
‘lay hoe tia adala tamin’iny
moa mety ho marina izany?
f’izao hamafiso ny fonao

كلمات أغنية عشوائية

كلمات الأغاني الشهيرة

Loading...