parano escobar - dia henoy tsara كلمات أغنية
couplet 1 :
raha mbola afaka mihaino ialahy, henoy ity rap ity
fa efa kely sisa no fepotoana hiainan’ialahy ety
ny famataran’ora tsy mijanona mikisaka
satria ny empire romana aza nahongan’ny barbariana
ny isiraelita nandevozin’ny egyptiana
ny alexandra ngeza nefa mbola diso planina
amin’izao jereo ny fitiavan_tenan’ireo amerikana
soa ihany fa mbola nisy firenena musulmana
sy ny firaisana sovietika, iran sy korea avaratra
mitobaka ny uranium
variana nijery fitaratra ilay mpanao rap malaza
fa ho eny ambonin’ny podium
mipoaka ny baomba, boom, akaro kely ny zoom
dia kobon’ialahy hoe ny rap eto amin’ny tanàna, baby boom
talenta avy any ambony, izay tsy manana mahaiza mihonona
famataran’ora mbola mikisaka tsy mijanona
fa izaho gasy, ialahy gasy, fa ialahy francophone
ambinimbinin_karena saingy noana tsy mety voky
mamerina fotsiny izay lazaina ohatran’ny hoe boloky
tonga ny andro maraina dia mitanin’andro ny boka
mifaneso, mifanompa, tenin_dratsy, tenim_boto
fa capitalisme no hiainana
ny vady andefimandry
fidio ihany fa misy hoe mety handefona raha mandry
dia amidy izay azo amidy, tsy misy sivana mandeha
hatramina sarina joba ratsy tarеhy miboridana be
atsy afrika amin’io kere, dago anaty acp
bеdiabe ireo manana karatra nefa tsy manana cepe
dia manjaka ny asa tena, varotra sy asa tanana
mameno ny sisin_dalana, mirongatra tsy azo tanana
ny maripahaizana ambony amin’izao natokana ho an’ny mpanana
teo ny rainy, dia teo izy dia mbola ho eo koa ny zanany sy ny zafiny
gasikara lasa ohatran’ny hoe fananany
mandroba izy tsy miafina, mitondra basy mifahana
refrain :
mametra_panontaniana ny tanora malagasy. mipararetra
hoe aiza no tena lalana ? ary inona no maha_gasy ? tsy voafetra
fiteny ve sa fihetsika sa fomba amam_panao. izy rehetra
ny ao ambony mikozy hoe hanjakao izao rehetra izao. eritreritra
dia samy nihazakazaka nitady kalitao. fa te ho bonetra
omaly hariva koboko tamin’ny filazam_baovao. herisetra
politika sy famadihana palitao. kozy voretra
izay rehetra kopy dia mila mandray fepetra
couplet 2 :
masiaka loatra ny kozy ny ahy dia misy mitady hitroatra
nefa ny tanako sy ny peninako hampifandraisan’ilay tadim_poitra
dia tsy afa miala fa lasa rano fisotro ny rivotra fohako
hery miafina tsy voatohatra naka toerana ato an_dohako
aza ataon’ialahy mahoraka hoe ny kozy ovaiko faroratra
rehefa mandeha ny famotorana sy ny fitànana an_tsoratra
fa ialahy indray no midanaka raha manao fakana am_bavany
satria tsy zakan’ny mason’ialahy ny famirapiratan’ny tavany
dia samy miazakazaka makany amin’ny fetra tsy tazana
velona ianao ry tany, sady kibo no mihidy vazana
fa raha maty aho aleoko maty ho an’ny tanindrazako
mba ho isan’ireo mahery fo teto dago
efa lasany, tsy tazako
satria toy ny reny tantely izy ireo ka maty namela mamy ho an’ny taranaka
dia izaho, ialahy, lery ao anatin’izany
saingy hafa mintsy i parano, escobar pablo
eto ka hatrany colombie taperin_tsika ny tableau
tsy azon’ialahy atao ankeriny ohatran’ny teny amin’ny magro
fa tompon’ny tsindry naizanaiza ohatran’i lucky lucciano
dia tsy quoi raha tsisy mihitsy ny tody fa izay atao no miverina
teto imerina aho no teraka teny an_tampon’ny manerinerina
tanora vao herotrerony aho, manao jery tamberina
sady mijery ny manodidina mitady hanao bodongerona
revy mihainga ohatran’ny amin’ny films western
ialahy tsy vitan’ny hoe mandoha frais mandroso sy miverina
fa miatrika fanjanahan_tany moderne, badenina
dia mitohy ny fiainan’ialahy fa mbola misy fofon’aina
mila kingakinga ny saina satria be no mifofo ny aina
ny fialonana efa nisy hatramin’i kaina sy abela
ankehitriny mbola hiainan_tsika zaza navela
dia tavela tao an_davaka, (mifanipy???) sady nivavaka
tamin’ny sampy nentin’ireo mpanjanantany mpanavakavaka
dia hozy aho hoe tandremo sao manadino ny tanindrazana
refrain :
mametra_panontaniana ny tanora malagasy. mipararetra
hoe aiza no tena lalana ? ary inona no maha_gasy ? tsy voafetra
fiteny ve sa fihetsika sa fomba amam_panao. izy rehetra
ny ao ambony mikozy hoe hanjakao izao rehetra izao. eritreritra
dia samy nihazakazaka nitady kalitao. fa te ho bonetra
omaly hariva koboko tamin’ny filazam_baovao. erisetra
politika sy famadihana palitao. kozy voretra
izay rehetra kopy dia mila mandray fepetra
كلمات أغنية عشوائية
- fawn - another year with out you كلمات أغنية
- perttu - circles كلمات أغنية
- maliek bennett - niggas wiggas chiggas كلمات أغنية
- joey bada$ feat. nyck caution, kirk knight & meechy darko - ring the alarm كلمات أغنية
- tim mcgraw - speak to a girl (feat. faith hill) كلمات أغنية
- b3nte & modo - tortuga 2016 كلمات أغنية
- entetainment - intro (feder gottes) كلمات أغنية
- canto del alma - hoy mi pasado كلمات أغنية
- clara lima - nocaute كلمات أغنية
- mic - victory كلمات أغنية