kalimah.top
a b c d e f g h i j k l m n o p q r s t u v w x y z 0 1 2 3 4 5 6 7 8 9 #

nanie - ianao sy za كلمات الأغنية

Loading...

toa ho sarotra ho ahy ny haminavina
izany fiainana ry tiana
raha tsy ianao no teto anilako eo
raha tsy ianao no mba namako
toa ho sarotra ho ahy ny hahalala
raha toa tsy misy anao ry lala
hoe nanao ahoana ny tontolo raha moa niainana irery

ref:
tia anao loatra aho
ny fitiavanao manome hery
ny fitiavanao tsy manam_paharoa
tsy mila olon_kafa
fa hanjary hafahafa
fa ianao irery ihany
izaho sy ianao
mila anao loatra ny
no toky sy aro ary
tanjaka ao amin’ity fo
tsy ho haiko ny hitempo an’olon_kafa
fa ianao no efa ahy (izaho sy ianao)

tsy ho sarotra ho ahy ny hahafantatra
zany hoe fahasambarana
fa efa ianao no eto anilako
fa efa ianao no tena namako
tsy sarotra ho ahy ny hanambara
fa ilay fitiavana nioropaka
ka dia velona anatinao miboiboika lalina
ref:
hainao ny mizara
hainao no mitahiry
tena hainao ny mitana ireo tsiambaratelo
ianao mahalala tsara
fa tsy afaka hahalaza
ny tiana ambara ny teny
faly aho am_poko ao
faly aho an_tsaiko ao
faly aho an’eritreritro ao dia fantatrao fa mila anao loatra aho

mila anao loatra aho fitiavanao manome hery
fitiavanao tsy manam_paharoa
tsy ho haiko ny hitempo an’olon_kafa fa ianao no efa ahy

كلمات أغنية عشوائية

كلمات الأغاني الشهيرة

Loading...