
mamy robinson - mamanay كلمات أغنية
Loading...
niady mafy ny hahasoa an-janany
mamanay
nampandefitra ny kely ananany
alim-pody i bavy tamin’ny asabotsy teo
mama indray no tsy nahaloa-peo
dodona ery raha sendra misy ny manjo
miferin’aina miasa loha tokoa
mamanay
nijaly mafy tamin’ny ditran-janany
mamanay
nampandefitra ny kely ananany
io maraina io i zoky lahy vao mody an-trano
mivazavaza f’efa mamomamo
tsy hay tenenina be famaliana aok’izany
mama indro lasa mitomany
mamanay
tsy ho afaka am-bavako ny anarany
mamanay
tsy haiko izay havaly ny fitiavany
andriamanitra ô tahionao ny mamanay
ho lava andro eo akaikinay
ny ditranay rehetra dia ifonana aminao
ho hendry izahay manomboka izao…
كلمات أغنية عشوائية
- allen the official - post game كلمات أغنية
- point north - be the same كلمات أغنية
- lucio bukowski - personne ne gagne كلمات أغنية
- hampi - ok كلمات أغنية
- kiana ledé - youth. كلمات أغنية
- claytonisokay - christmas eve كلمات أغنية
- boskasie - we are gold كلمات أغنية
- lamusicadejose - emoticon كلمات أغنية
- a2h - pas du tout كلمات أغنية
- bratuha.nullneun - nur designer / instagram freestyle 13.07.2020 كلمات أغنية