
mahaleo - embona كلمات أغنية
embona sy hanina, tsiahy maha-fahanginana
ngoly ny fo mamelovelo, madisadisan’alahelo
ny avôna tazanina,tsy hita ho dinganina
fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
ny aina marary, ny fo maratra
fa ny antsoko, ny ankony mitampody
mba mihika mafy anie aho nefa tsy tody
izay jereko manjavozavo
tako-drahona sy vohitra avo
fa mahery sy masiaka ny onja
tsisy lakana mety afaka hitondra
ny maso no alefa maminany
mibanjina anao any ho any
alahelo sy toloko, raha vao injay tsaroako
fa noho ny hasomparan’ny tany
izaho aty, ianao lavitra any
tsy azo hiadiana ny anjara
‘zay angamba no heveriny ho tsara
izaho tsy kivy tsy ho ketraka
na dia mangidy mavesatra
fa ny ahy dia fitia tena marina
na anaty honahona tsy ho tafarina
na halevina mety handifitr’olona
hiposaka amin’ny hamololona
ny any hafatro dia ny hoe matokia
fa izaho tsy hitsahatra ny hitia
tsy ny halavitana, ny tsy hita maso
mahasakana ny fontsika tsy hihaona
كلمات أغنية عشوائية
- tory lanez - slow fade* كلمات أغنية
- terry hall - no, no, no كلمات أغنية
- aries - all i know كلمات أغنية
- evan dmmix - tough love كلمات أغنية
- folliblanc - hellheim كلمات أغنية
- pinkib0y - ребёнок нефтяника (baby oilman) كلمات أغنية
- annie lux - flash flood كلمات أغنية
- richard thompson - long john silver كلمات أغنية
- the rolling stones - you can't always get what you want [love you live] كلمات أغنية
- celo4100 - acordei assim كلمات أغنية