
felaniary - ho tia كلمات أغنية
ireo taona maro lasa, tsy nampiova ny fitiavako anao
ka na tsy vita aza izay kinasa, mbola betsaka ny tokony hatao
na mbola rivo-doza na tafiotra, tsy hampiontsona
fa ianao foana, ianao hatrizay, ianao mandrakizay
ka na dia mbola hisy adiady, hatezerana
ataovy an-tsaina foana fa ny fitiavako tsy azo ferana
na betsaka ny tsy tia, na maro koa ny mpandrava
izaho sy ianao miara-dia dia ampy hanilika azy, hampisava
fa mila anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
hiantso anao foana, ho eo anilako eo
tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
mandra-maty e, izay no fetra
ho tia anao foana aho n’aiza n’aiza ianao
hiantso anao foana ho eo anilako eo
tsy hisy ny fotoana tsy hahatsiarovako anao
mandra-maty e, izay no fetra, ny ahy sy ianao
ka na dia mbola hisy adiady, hatezerana
ataovy an-tsaina foana fa ny fitiavako tsy azo ferana
na betsaka ny tsy tia, na maro koa ny mpandrava
izaho sy ianao miara-dia dia ampy hanilika azy, hampisava
ho tia anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
hiantso anao foana ho eo anilako eo
tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
mandra-maty e, izay no fetra
fa mila anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
hiantso anao foana, ho eo anilako eo
tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
mandra-maty e, izay no fetra
f’ilay ray ao ambony ao anie no mbola hitahy
ho fitia mandrakizay ny anao sy ny ahy
izay ratsy lasa taloha, aoka hivalona
fa raha toa tia ahy ianao, raiso ny tanana
ho tia anao foana aho n’aiza n’aiza misy ahy
hiantso anao foana ho eo anilako eo
tsy hisy ny fotoana tsy hitiavako anao
mandra-maty e, izay no fetra ny ahy sy anao
كلمات أغنية عشوائية
- flobots - if i كلمات أغنية
- demon hunter - just breathe كلمات أغنية
- she him - i knew it would happen this way كلمات أغنية
- ke ha - paris hilton's closet كلمات أغنية
- easton corbin - someday when i'm old كلمات أغنية
- stan walker - think of me كلمات أغنية
- school gyrls - what goes around كلمات أغنية
- maino - bring it back dj كلمات أغنية
- the dead weather - no horse كلمات أغنية
- saliva - time to shine كلمات أغنية