
dadah rabel - tsara tso-drano كلمات أغنية
zahay mivady toa sondrian-tory
mihevitra anao ankizy foana
nony mihiratra, taitra tsy hitahita akory
hay moa ianao tonga taona
hay moa tokoa ianao hary elatra
te hanana zo, te handeha, te hivelatra
vita ny adidin’i dada sy neny
efa voninkazo ilay voa novoleny
andeha, tsara tsara tso-drano
tsy ho azon-tsampona tsy hidiran’angano
andeha, soava tsarà
zay vao tena lehilahy
be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy
na ny anatra na tambitamby
ba ny sakantsakana, be ny fandrarana
toa tara toetr’andro zahay mazana
nefa izay moa no heverinay ho tsara
satria ny tianay ho tsara dimby sy fara
azea tsiny tsy zary tsara daholo
ny mba faniriana nahay nitaiza sy nikolo
andeha, ny any aloha no banjino
ny fahendrena no vatsy aza adino
andeha mahità ny mamy
ka ho lavitra tomany
lasa nandeha ka nisidina irery
efa lehibe, ts’isy handidy, ts’isy hanery
handimby ireo zoky hiantsoroka adidy
ny mba faniriana tsy ho ratsy safidy
andeha, mahaleova
ianao no handimby, ianao no handova
andeha, ny anarantsika
aza avela ho entin-driaka
كلمات أغنية عشوائية
- raunchy - blueprints for lost sounds كلمات أغنية
- harry belafonte - a fool for you كلمات أغنية
- feat drake future lil wayne - love me (feat. drake & future) - lil' wayne كلمات أغنية
- josh osho - giants كلمات أغنية
- billy preston - stop in the name of love كلمات أغنية
- oleta adams - i wonder as i wander كلمات أغنية
- living colour - i want to know كلمات أغنية
- feat andrea thomas collin raye - come thou fount of every blessing (feat. andrea thomas) - collin raye كلمات أغنية
- dungeon - i am death كلمات أغنية
- eli young band - girl in red كلمات أغنية