
bessa sy lola - hafa ihany i mama كلمات أغنية
andry nianteherako ny dadako
tokim-pahanterako ny zanako
samy tiako sy lalaiko fatratra
ary samy iriko mba ho sambatra
sanatria tsy hadinoko ny vadiko
sy ireo iray tampo zoky sy zandriko
hafa ihany i mama
neny, mamako
ny iray tampo kiady
azo iankina-doha ny vady
loharanon- drehereha ny zanaka
ka tsy iantsarovan-tena lanaka
lahaolona i dada
nefa izao no mahagaga
hafa ihany i mama
neny, mamako
tsy ho voatanisako izay antony
tokony hoderaiko ny akantony
fa ny ahy ny tena azoko antoka
dia ilay fahatsiarovako azy tampoka
fa raha sendra taitra aho ny eo am-bavako
tsy mba ny olon-kafa fa ny mamako
hafa ihany i mama
neny, mamako
ny iray tampo kiady
azo iankina-doha ny vady
loharanon-drehareha ny zanaka
ka tsy iantsarovan-tena lanaka
lahaolona i dada
nefa izao no mahagaga
hafa ihany i mama
neny mamako
(hatramin’ny farany)
كلمات أغنية عشوائية
- lil yachty - be happy good vibes كلمات أغنية
- polo perks - not another teen movie كلمات أغنية
- helabroke - cicatrices كلمات أغنية
- jester abad - stranger كلمات أغنية
- luis figueroa - si tú me dices ven كلمات أغنية
- evolocity - natural drag كلمات أغنية
- bobby dove - chance in hell كلمات أغنية
- maxwell b - uranium كلمات أغنية
- zaphb - refuge كلمات أغنية
- penpal nemesis - stop being weird, human كلمات أغنية